Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay
Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mikasika…
Raha toa ianao manana taratasy fifindra-monina manan-kery antsoina hoe “titre de séjour” ary nisy nangalatra na very izany raha tany Frantsa ianao, dia azonao atao ny mangataka antontan-taratasy atao hoe “duplicata” avy amin’ny manampahefana eo an-toerana.
Nohamarinin'ny La Cimade tamin'ny 31/01/2024
Verified by La Cimade on 31/01/2024
Raha toa ka very na nisy nangalatra ny taratasinao fifindra-monina fantatra amin’ny hoe “titre de séjour” na fahazoan-dalana ipetraka eo an-toerana, dia azonao atao ny mangataka antontan-taratasy antsoina hoe dika mitovy na “duplicata” avy amin’ny manampahefana frantsay eo an-toerana fantatra amin’ny hoe “préfecture” na “sous-préfecture” eo amin’ny vakim-paritra misy anao.
Tsy misy mahazo alalana hangalatra ny “titre de séjour”-nao, eny fa na dia ny vadinao aza, na ianareo vita mariazy, na PACS na fifanarahana sivily.
Azonao fenoina ity fanontaniana ity raha te hahalala bebe kokoa momba izay tokony atao.
Voalohany indrindra dia tsy maintsy manao tatitra mikasika ny fahaverezana na halatra eny amin'ny polisy ianao ka mandeha eny amin’ny biraon'ny polisy akaiky anao, na “commissariat de police” na “brigade de gendarmerie”. Omen’izy ireo taratasy antsoina hoe “déclaration” ianao izay hanamarina fa very na nisy nangalatra ny “titre de séjour” anao.
Raha tianao dia azonao atao ihany koa ny mametraka fitoriana eny amin’ny biraon’ny polisy mba hanenjehana ilay olona nangalatra na nanimba ny taratasinao, ao anatin’izany ny vadinao na ny vadinao taloha, na ianareo vita mariazy, na PACS na fifanarahana sivily.
Raha misafidy ny hametraka fitoriana ianao:
Mila mifandray amin’ny manampahefana frantsay eo an-toerana fantatra amin’ny hoe “préfecture” na “sous-préfecture” eo amin’ny toerana misy anao ianao mba hahitana ny fomba fangatahana ny “duplicata” na ny dika mitovy. Ato amin’ireto lahatahiry ireto ianao dia ahita ny antsipiriany ifandraisana amin’ny “préfectures” sy ny “sous-préfectures”.
Mariho azafady fa: ny “préfecture” dia afaka mamerina mijery raha mbola mahazo alalana amin’ny “titre de séjour” izay angatahanao ianao.
“La Cimade” dia fikambanana miompana amin’ny fanohanana ireo mpifindra monina rehetra, ary ireo mpitsoa-ponenana any Frantsa, indrindra olona miatrika herisetra.
“Associations” dia ireo fikambanana izay afaka manome tolotra isan-karazany. Ny sasany misahana manokana ny resaka fifindra-monina.
Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay
Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mikasika…