Manofa trano manokana any Frantsa
Any Frantsa, ny fanofana trano manokana no mety ho fomba haingana hitadiavana trano. Hametraka ireo fepetra ny olona tompon‘ilay trano, izay hanao fifanekena momba ny fanofana trano aminao, mialohan‘ny hifindrana. Arakaraky ny tanàna na tanan-dehibe hipetrahanao dia mety haharitra fotoana elaela kely vao mahita trano.
Nohamarinin'i Ouarda Varda Sadoudi tamin'ny 29/09/2023
Verified by Ouarda Varda Sadoudi on 29/09/2023
Fepetra
Azonao atao ny manofa trano fonenana any Frantsa, na inona na inona toe-javatra misy anao, eny na dia tsy manana zo ipetrahana eo an-toerana aza ianao.
Na izany aza dia afaka mametraka ny fepetrany manokana mifanaraka amin'ny fitsipika napetraky ny lalàna ny tompon-trano tsirairay.
Henjana kokoa ny fepetra amin‘ny ankapobeny any amin‘ireo toerana be mpitady trano. Ohatra:
- Ny hany eken’ireo tompon-trano sasany dia ireo izay manana fifanekena arak’asa maharitra na “contrat à durée indéterminée (CDI)”.
- Mitaky ireo tompon-trano sasany fa ny vola miditra aminao isam-bolana dia tokony ho avo telo heny amin‘ny hofan-trano.
- Mitaky ireo tompon-trano sasany ny mba hanananao olona iray antsoina hoe mpiantoka na “garant” izay manaiky handoa ny hofan-tranonao, raha toa ka sendra tsy afaka mandoa izany intsony ianao.
Na izany aza dia tompon-trano maro no misafidy ny tsy hametraka ireo fepetra ireo raha mino izy ireo fa ampy vola ilay olona mba handoavana ny hofan-trano.
Rehefa maka fotoana hitsidihana ianao, dia anontanio ny tompon-trano na ny mpandraharaha momba ny fananan-tany sy trano ireo fepetra tokony fenoina, ary inona ireo antontan-taratasy ampiarahana amin‘ny fangatahanao.
Vinavinam-bola tokony aloa
Hisy vola, izay efa fantatra hatrany am-boalohany, tsy maintsy haloanao isam-bolana, izay ahitana:
- ny hofan-trano “loyer”: mety hiverenana hojerena isan-taona izany hofany izany
- ny vola hafa aloa na “charges”: izany ohatra mety ny rano mangatsiaka sy ireo vola aloa hafa itambarana ao amin‘ilay trano raha toa ka trano lehibe misy mpanofa maromaro ny anao.
Rehefa manao sonia ny fifanarahana hanofa na “bail” ianao dia tsy maintsy mandoa:
- Ny hofan-tranon‘ny volana voalohany, ireo vola aloa hafa ao anatin‘izany.
- Ny sarany aloa amin‘ny masoivoho rehetra raha toa ka niantso mpandraharaha momba ny fananan-tany sy trano ianao.
- Vola antsoina hoe petra-bola antoka na “dépôt de garantie” na“caution”, izay ho tazomin’ny tompon-trano mandra-pialanao ilay trano. Raha araka ny làlana io sandany io dia tsy tokony mihoatra ny hofan-trano iray volana, ary tsy misy vola hafa aloa ho an‘ny trano tsy misy entana ary hofan-trano roa volana kosa ho an‘ny trano misy entana. Raha toa ka nisy fahasimbana tao amin‘ilay trano rehefa niala tao ianao dia mety hanapa-kevitra ny hitazona ny sasany na ny rehetra amin‘ilay antoka ny tompon-trano.
Mitady mpiantoka na “<span dir="ltr" lang="fr">garant</span>”
Ny mpiantoka na “garant” dia olona izay manaiky ny handoa ny hofan-tranonao raha toa ka tsy afaka ny handoa izany intsony ianao.
Izany matetika no fepetra takian'ny tompon-trano, indrindra raha tsy manana fifanekena fiantohana amin'ny hofan-trano tsy voaloa ny tompon-trano.
Saingy tsy takian’ny tompon-trano rehetra izany, ary azo atao koa ny mitady trano tsy misy “garant”.
-
Azonao atao ny mangataka ny olona akaiky anao mba ho “garant”.
Io olona io dia tsy maintsy:
- monina ao Frantsa saingy tsy voatery ho teratany frantsay
- manana vola miditra azo antoka sy ampy
- manome anao antontan-taratasy manaporofo ny mombamomba azy sy ny vola am-pelatanan‘izy ireo ho amin'ny fangatahanao.
-
Azonao atao ny mangataka ny fikambanana ara-panjakana fantatra amin’ny hoe “Action Logement” mba ho mpiantoka na “garant”, tsy andoavam-bola, ka manao fangatahana hahazo “garantie Visale”.
Fepetra
Raha te hahazo izany ianao dia tsy maintsy:
- Latsaky ny 31 taona, na inona na inona asa iandraiketanao, ao anatinin‘izany raha mpianatra ianao.
- Na, raha 31 taona na mihoatra ianao
- Mpiasa eny anivon‘ny orinasa tsy miankina ary mandray karama isam-bolana latsaka na mitovy amin‘ny 1500 euros, ao ahorian‘ny fandoavana ireo vola hafa tsy maintsy alaina amin‘ny karamanao.
- Mpiasa eny anivon‘ny sehatra tsy miankina ka eo an-dalam-piovana asa atao, miaraka amin‘ny: fifanekena arak’asa maharitra antsoina hoe “contrat à durée indéterminée (CDI)” mbola ao anaty andrana na fifanekena arak’asa maharitra izay antsoina hoe “contrat à durée déterminée (CDD)” enim-bolana farafahakeliny na manana antontan-taratasy manaporofo fampanantenana asa izay fantatra amin’ny anarana hoe “promesse d’embauche”, na miova asa.
- Na, tsy miankina amin‘ny taonanao, nanao sonia fifanekena antsoina hoe “bail mobilité” ianao. Fifanarahana fanofana teo anelanelan'ny iray sy folo volana nosoniavina teo amin'ny tompon-trano amin‘ny trano misy entana sy mpanofa sasany.
Ahoana ny fanaovana azy
Atao amin’ny aterineto ny fangatahana amin’ny alalan’ity tranokala ity.
Voalohany dia mila mijery ianao raha mahafeno fepetra, dia avy eo mamorona kaonty mba handefasana ny fangatahana ampiarahana amin‘ireo antontan-taratasy ilaina.
-
-
Ny fangatahana fanofana amin‘ny ankapobeny dia tokony ahitana ireto antontan-taratasy manaraka ireto:
- dika mitovy ny antontan-taratasy momba anao, ohatra, ny pasipaoro, ny kara-panondro, na ny fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour”
- antontan-taratasy manaporofo ny vola am-pelatananao, ohatra:
- raha mpiasa ianao: ny taratasy karamanao telo farany sy/na fifanekena arak‘asa raha toa vao nanomboka niasa ianao, ary koa ny fampilazana mikasika ny hetra
- raha mpianatra ianao: ny karatra maha-mpianatra anao
- raha miasa tena ianao: ny “extrait KBIS” anao manomboka amin’ny telo volana farany, ny tatitra ara-bola farany ny orinasanao sy/ny fanamarinana avy any amin’ny mpitam-bolanao ho an’ilay taona diavina.
- Raha toa maharay karazana fanampiana ara-bola ianao: taratasy manamarina ny vola voarainao
- Raha toa misotro ronono ianao ireo fanambarana telo farany mikasika ny fisotroan-dronono
- ny fanamarinana araka ny kaontinao na “relevé d’identité bancaire (RIB)”
- dika mitovy ny antontan-taratasy momba ny “garant” anao raha toa ka manana ianao
- antontan-taratasy manaporofo ny vola am-pelatanan‘ilay “garant” anao.
Mety asaina ampiditra ireo antontan-taratasy mikasika ny trano fonenao taloha ihany koa ianao:
- raha nanofa-trano ianao: rosian‘ny fandoavana telo farany
- raha mipetraka amin‘ny tranonao ianao: ny hetra tranonao farany sy ny faktioran-jiro telo farany
- raha mipetraka any ho any ianao ary tsy andoavam-bola: taratasy fanamarinana ny fampiantranoana, na “attestation d'hébergement’, avy amin’ilay olona ipetrahanao, dika mitovy ny antontan-taratasy mombamomba azy, ary ny faktioran-jiro telo farany ny tranony.
Raha tsy amin'ny teny frantsay ny antontan-taratasinao dia mety hangatahana fandikan-teny ianao.
-
Manofa amin’ny olon-tsotra ianao
Azo hofaina mivantana amin‘ny tompon-trano ny trano iray.
Amin‘ny ankapobeny, dia olona tsy sarotiny sy tsy hentitra loatra no manao izany. Afaka mifampirahara mivantana amin‘ilay tompon-trano ianao raha toa ka tsy mahafeno ny fepetra.
Tranokala sy app maromaro no manome lisitra ny trano malalaka arakaraka ny tohatra:
- “Pap”, toerana fanofana ho an'ny olon-tsotra, izay midika fa tsy misy sarany mila aloa amin’ny mpandraharahana momba ny fananan-tany sy trano
- “Leboncoin”, no andefasan’ny olona rehetra ny filazam-barotra ataony
- “Appartager”, izay ahitana ireo tolotra fizarana trano hofaina amin’ny olona izay efa mipetraka eo amin’ilay toerana.
Mandalo amin’ny mpandraharahara momba ny fananan-tany sy trano
Mety ihany koa ny mandalo amin‘ny mpandraharahara momba ny fananan-tany sy trano, na izany amin’ny fangatahana amin’ireo filazam-barotra amin’ny aterineto na amin’ny fandehanana amin’ny masoivoho akaiky anao indrindra.
Mila mandoa vola ianao raha hampiasa ity tolotra ity.
Raha hikaroka filazam-barotra amin‘ny aterineto dia azonao ampiasaina ireo tolotra tahaka ny:
-
Tsara kokoa raha omaninao mialoha ny fangatahanao miaraka amin‘ny dika mitovy amin'ireo antontan-taratasy nangatahana, ary ento miaraka aminao mandritra ny fitsidihina ataonao mba hahafahanao mametraka izany avy hatrany, indrindra any amin'ireo faritra tena be olona mpitady.
Rehefa mahita trano mety aminao ianao dia alefaso ny fangatahanao miaraka amin‘ny dika mitovy ny antontan-taratasy nangatahana.
-
Raha nekena ny fangatahanao dia mila manao sonia ny fifanarahana izay antsoina hoe “bail” ianao.
Hanao ny fandoavam-bola voalohany ianao amin'ny fotoana anaovana sonia.
-
Amin‘ny maha mpanofa trano anao, dia takian'ny lalàna frantsay ianao haka fiantohana ny tranonao, fantatra amin'ny anarana hoe “assurance habitation” mialohan’ny hifindranao.
Afaka mangataka tolobidy any amin‘ny orinasam-piantohana maro ianao izay vao mifidy izay mety aminao.
Tsy maintsy manome ny antontan-taratasy nomen'ny orinasam-piantohananao, antsoina hoe “attestation”, any amin’ny tompon-tranonao na mpandraharaha momba ny fananan-tany sy trano ianao, mialohan’ny hakanao ny fanalahidin’ny trano.
-
Rehefa omena anao ny fanalalahidin‘ny trano dia hanao fitsidihina ianao mba hamaranana ilay tatitra momba ny zava-misy eo am-pidirana na “état des lieux” izay ahafahanao mamaritra amin'ny antsipiriany ny toe-javatra sy ny endrikendrikin’ny trano ao anaty antontan-taratasy.
Tena manan-danja tokoa ity antontan-taratasy ity: hilainao izy ity rehefa hiala ny trano ianao, mba hahazoana indray ilay vola naloanao tamin’ny vao tonga, izay fantatra amin’ny anarana hoe “dépôt de garantie”, na vola antoka.
-
Mialohan‘ny hifindranao dia aza adinoina ny manao fifanarahana amin‘ireo sampan-draharaha mpikarakara ny zavatra ilaina, amin‘izay ianao mba mahazo ireto tolotra manaraka ireto raha vao mifindra:
- Herinaratra
- Gazy
- Aterineto sy telefaonina.
Inona no hatao raha sendra fanavakavahana ianao
Tsy manana zo ny handà ny fangatahanao ny mpandraharaha momba ny fananan-tany sy trano sy ny tompon-trano noho ny fepetra miorina amin’ny fanavakavahana sasany, toy ny fiavianao, ny fahasalamanao, ny fironana ara-pananahana na ny fivavahana arahinao.
Raha heverinao fa ratsy fandraisana ianao noho ny fanavakavahana rehefa nitady trano, dia misy ireo vahaolana hanamafisana ny zonao.
-
Ny sampandraharaha “ADIL” dia masoivoho eo an-toerana izay mampahafantatra ny olona mikasika ny zony hahazo trano ary ny vahaolana ho azy ireo.
- Maimaimpoana io tolotra io.
- Misy mpanolotsaina iray afaka mampahafantatra anao sy manampy anao amin'ny fitadiavanao trano fonenana.
- Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
- Fifandraisana: hahita ny antsipiriany ifandraisana amin’ny masoivoho eny amin’ny faritra misy anao ianao ao amin’ity lahatahiry ity.
-
Ny mpiasa sosialy na “travailleurs sociaux” sy ny “assistants sociaux” dia efa za-draharaha amin‘ny fanohanana ny olona amin'ny fikarakarany taratasy, ary manampy azy ireo hahita vahaolana mifanaraka amin'ny fahasahiranana atrehany.
- Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
- Azonao atao ny maka fotoana handraisana torohevitra manokana araka ny toe-javatra misy anao, ary hanampy anao amin'ny dingana manaraka, toy ny hoe: fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fangatahana trano fonenana, fisoratana anarana any amin'ny birao mikarakara ny olona tsy manana asa any Frantsa “Pôle emploi”, sns.
- Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
- Fifandraisana: Azonao atao ny mangataka fotoana hihaonana amin'ny “travailleur social” miaraka amin’ny
- “Conseil départemental” any amin’ny faritra misy anao
- ny "Centre communal d’action sociale" any amin’ny lapan’ny tanàna eo an-toerana.
-
Ny "PIMMS Médiation" dia fikambanana mampahafantatra, mitarika na manohana ny fikarakarana taratasy amin'ny sehatra maro: fidirana amin'ny tolotra ho an'ny daholobe, fidirana amin'ny fitsaboana, fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fanambarana hetra, fanambarana ho an'ny “Pôle Emploi”, sns.
- Maimaimpoana io tolotra io.
- Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
- Fifandraisana: afaka mahita “PIMMS Médiation” eo akaikinao ianao ato amin'ity lahatahiry ity.