Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa
Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…
Raha tsy any Frantsa ianao amin'izao fotoana izao ka very na nisy nangalatra ny “titre de séjour”-nao na ny fahazoan-dàlana ipetraka any an-toerana, dia azonao atao ny mangataka taratasy antsoina hoe “visa de retour” eny amin’ny kaonsiolà frantsya mba hahafahanao miverina any Frantsa.
Nohamarinin'ny La Cimade tamin'ny 31/01/2024
Verified by La Cimade on 31/01/2024
Raha very na nisy nangalatra ny fahazoan-dàlana ipetrahana any an-toerana na “titre de séjour” raha tany ivelany ianao dia azonao atao ny mangataka antontan-taratasy antsoina hoe “visa de retour” avy amin’ny kaonsiolà frantsay mba hahafahanao miverina any Frantsa.
Mety ihany koa ity fitsipika ity raha toa nangalarin‘ny vadinao ny “titre de séjour” anao. Lalàna manan-kery Andininy L.312–4 ao amin’ny “CESEDA”.
Tsy maintsy manana pasipaoro manan-kery ianao raha te hangataka “visa de retour”.
Raha toa ka very na nisy nangalatra ny pasipaoronao dia tsy maintsy mangataka pasipaoro vaovao amin'ny manampahefana ao amin'ny firenena misy anao aloha ianao.
Rehefa manana pasipaoro manankery ianao dia afaka mifandray amin'ny kaonsiolà frantsay any amin'ny firenena misy anao mba hangataka “visa de retour”. Ny antsipirian’ny ifandraisana dia azo jerena ao amin’ ity tranokala ity.
Mila manome ireto antontan-taratasy manaraka ireto miaraka amin'ny fangatahanao ianao:
Tokony hahazo valiny ianao ao anatin'ny roa volana.
Raha toa nahazo “visa de retour” ianao dia afaka miverina any Frantsa miaraka amin’ity antontan-taratasy ity.
Vantany vao miverina any Frantsa ianao dia afaka maka fotoana hihaonana amin’ny manampahefana frantsay eo an-toerana fantatra amin’ny anarana hoe “préfecture” eny amin’ny vakim-paritra misy anao mba hangataka “duplicata” na dika mitovy ny “titre de séjour” na ny fahazoan-dalana ipetraka eo an-toerana izay very na nisy nangalatra, na hangataka “titre de séjour” vaovao raha toa ka lany daty ilay iray taloha.
Mariho azafady fa: ny “préfecture” dia afaka mamerina mijery raha mbola mahazo alalana amin’ny “titre de séjour” izay angatahanao ianao vantany vao tonga any Frantsa.
Raha nolavina ny fangatahanao dia azonao toherina ny didy ka mampiakatra ny raharaha na “recours”, eny amin’ny sampandraharaha tomponandraikitra fantatra amin’ny hoe “Commission de recours contre les décisions de refus de visa”.
Tsara tokoa raha amin‘ity dingana ity ianao ka ampian‘ny fikambanana mpanao asa soa na "association" izay misahana manokana ny lalàna mikasika ny teratany vahiny na mpisolovava.
“La Cimade” dia fikambanana miompana amin’ny fanohanana ireo mpifindra monina rehetra, ary ireo mpitsoa-ponenana any Frantsa, indrindra olona miatrika herisetra.
“Gisti” dia fikambanana mifantoka manokana amin’ny fanomezana torohevitra mikasika ny lalàna ho an’ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana any Frantsa.
“Associations” dia ireo fikambanana izay afaka manome tolotra isan-karazany. Ny sasany misahana manokana ny resaka fifindra-monina.
Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa
Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…